Taorian’ny fihaonam-be notontosain’ny CNaPS teny amin’ny CCI Ivato ny herinandro lasa teo dia nofaranana tamin’ny fambolan-kazo tany Miarinarivo Itasy ny hetsika nokarakarain’ny Tahirim-pirenena ny zoma lasa teo.
Notanterahana tamin’io ny fiarahabana ireo zokiolona ao Miarinarivo noho ny fahatrarana ny taona vaovao narahana fanomezana sy vatsy izany.500 mahery ny mpiasan’ny CNaPS tonga tany an-toerana ka zanaka kesika miisa 4 500 no novolena tao amin’ny Fokontany Tanambao Kaominina Miarinarivo.Tontosa nandritra io fotoana io ihany koa ny fanolorana ny amboara ho an’Itasy satria ny ekipan’ny CNaPS SPORT Football dia avy ao amin’ny ligin’Itasy. Tsiahivina fa ity ekipa ity no mbola voahosotra tompon-dakan’i Madagasikara tamin’ny taona lasa. Fantatra ihanykoa izao fa Itasy no hampiantrano ny fihaonam-be nasionalin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra (FMF) manomboka ny 30 janoary 2015 hatramin’ny 01 febroary ho avy izao. Fotoana izay hanatanterahana ny lalao mandroso ho an’ny « super coupe » izay ifandrinan’ny CNaPS sy ny ELGECO Plus ao amin’ny kianjan’Ampaisokely ao Miarinarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.