Actualités

Fiampangana ny filohan’ny HAFARI Tsy mitombina velively, hoy ny mpiara-dia aminy


  • Zoma 09 Septambra 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ireo mpikambana eo anivon’ny HAFARI Malagasy manoloana ilay raharaha

 

 “sequéstration” na fihazonana olona an-keriny hanenjehana ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina izay mbola any am-ponja amin’izao fotoana. Nambaran’izy ireo fa tsy mitombina ny fanenjehana ny filohany. Fanalam-baraka fotsiny iny nataona renim-pianakaviana iray nilaza ho niharan’izany niseho  tamin’ny vata fahitalavitra maro samihafa teto an-drenivohitra iny, izay mbola tondroiny  ho mpikarama an’ady ihany koa. Nitondra porofo izy ireo. Nitondra an-dRamatoa Bahati hotendrena hitantana ny HAFARI tany Mahajanga no nahatongavan’io renim-pianakaviana io tao amin’ny birao foiben’ny HAFARI etsy Anosizato Atsinanana. Tsy ny filoha nasionalin’ny HAFARI no nitory azy fa ireo mponina voasolokiny tao Mahajanga. Nambaran’izy ireo ampahibemaso fa tao amin’ny hotel Etoile rouge Andohatapenaka no natory izy io ny alin’ny 22 desambra taona 2015, nitohy tao amin’ny hotel Fandriantsara II ny alin’ny 23 sy ny 24 desambra izay nambarany fa nanaovana sequestration azy. Ny fiaran-dRamatoa Bahati no nitondra azy niakatra teto Antananarivo avy any Mahajanga ary mbola iry voalohany ihany koa no nanatitra azy teny amin’ny taksibrosy hihazo an’Antsohihy.  Miantso ny handraisan’ireo tompon’andraiki-panjakana any Antsohihy sy Port-Bergé ny andraikiny moa ireo mpikambana ao amin’ny HAFARI mba hanara-maso ity renim-pianakaviana ity satria dia nambaran’izy ireo fa olona karohina fatratra izy io.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT