Mety hiafara amin’ny fiakaran’ny saran-dalana ho 500 Ar ihany ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato, hoy Andriantsolomora Bernardin, filohan’ny vondron’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra, indrindra raha tsy tonga ny fanampiana nampanantenain’ny fitondram-panjakana.
Notsindriany fa mbola azo fehezina ihany aloha hatreto ilay fiakaran’ny vidin’ny gazoala iray litatra ho 2.890 Ar nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Tsy azo iainana intsony kosa raha tafakatra 3.000 Ar. Ho an’ny koperativa Soamiafara ao amin’ny zotra 187 mampitohy an’Iavoloha sy 67 ha manokana dia nambaran’ny filohany Rakotonirina Jean Paul José fa tsy hampiakatra izy ireo satria mahatoky ny fahatongavan’ilay fanampiana avy amin’ny fanjakana ny koperativa. Nomarihiny fa efa tena miaina anaty fatiantoka tanteraka ny mpitatitra noho ireo karazana kojakoja tonga eto amintsika efa vita Sinoa daholo ka tsy maharitra enim-bolana dia simba tanteraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.