Actualités

Fiakaran’ny sarandalana Tsy mbola ho alohan’ny fidiran’ny mpianatra


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Tsy mbola amin’ny fidiran’ny mpianatra izao aloha raha hisy ny fiakaran’ny sarandalan’ny taksibe eto an-drenivohitra ho 700Ar. Fantatra izany tamin’ny fanazavana nomen’ny filohan’ny vondrona kaoperativa UCTU Andriantsolomora Bernardin na dia amin’ity 26 aogositra ity aza no fe-potoana nofaritan’izy ireo.

 

Mbola  miandry ny hitranga anio zoma hatramin’ny misasakalina ny hanapahana izay mety ho fiakaran’ny sarandalana izay na tsia, hoy izy. Milaza koa ny tenany fa tsy maintsy jerena ny zavatra hiainan’ny kaoperativa tsirairay ny amin’ny fizotry ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana omena azy ireo. Nanamarika ity filohan’ny UCTU ity fa hisy ny fivoriana hotanterahin’izy ireo ny 6 septambra ho avy izao handinihina izany rehetra izany. 15 andro aorian’izay vao mety hihatra ilay fampakarana ny sarandalana raha toa ka tsy maintsy hirosoana, izany hoe efa aorian’ny fidiran’ny mpianatra, tsy mifanotona amin’ny fividianana fitaovam-pianarana izay tena midangana tokoa ny vidiny. Tsiahivina fa fiara 7.000 no mahazo ity fanampiana avy amin’ny fanjakana ity manerana ireo renivohi-paritany enina miaraka amin’Antsirabe.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT