Tsy misy izay tsy mikolay ny amin’ ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny ny isam-baravarana.
Nanomboka tany amin’ireo kojakoja ilaina fampiasa amin’ny fiainana andavanandro izany, nitohy tamin’ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra izay mbola hitohy hatrany amin’ny fiakaran’ny saran-dalana ihany koa. Ny mahavariana anefa dia toa tsy re feo mihitsy ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa manoloana izany saingy rehefa misy tolona sendikaly kosa dia tazana hatrany. Rehefa nanontaniana Rabetsara Lita, filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC dia nambarany fa tsy mitazam-potsiny izy ireo na dia somary nangigina aza. Ho an’ny fiakaran’ny saran-dalana dia nanambara izy fa tsy hanaiky io fiakarana 500 Ar kasain’ny fivondronan’ny mpitatitra eto an-drenivohitra tanterahina io velively. Miantso ny taksibe sahady izy mba tsy handranitra ny olona hitora-bato ny fiarany ny datin’ny 4 oktobra ho avy izao. Betsaka mantsy ny dingana tokony hotanterahina mialoha ny fampakarana ny saran-dalana ho 500 Ar. Nosinganiny tamin’izany ny tokony hamolavola ny “cahier de charge” hampiasain’ny mpitatitra miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpanjifa izay samy tafiditra ao anatin’ny kalitaon’ny asa tokony hatolotr’izy ireo ny mpanjifa avokoa. Ho an’ny fiakaran’ny vidim-piainana indray dia nanambara Rabetsara Lita fa ezahina hahena ny isan’ireo mpanelanelana amin’ny mpamongady sy ny mpaninjara ka hojerena miaraka ihany koa ny any amin’ny Faritra. Hiarahan’izy ireo mamolavola miaraka amin’ny minisiteran’ny varotra moa ity farany, raha araka ny fanazavana azo hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.