Actualités

Fiakaran’ ny renirano Loza manambana i Sisaony


  • Talata 12 Janoary 2016

Vokatry ny fijojon’ny ranon’orana ny alahady alina teo dia tandindomin-doza ireo kaominina andalovan’ny reniranon’i Sisaony eto Antananarivo. Voakasik’izany i Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika,

 

Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary i Ampangabe. Vokatr’io ranon’orana io dia lasa 0,74m ny haavon’ny ranon’Ikopa tao Anosizato. Tao anatin’ny 24 ora dia nahitana fiakarana 0,56m ary mbola hiakatra izany mandritra ny 12 ora manaraka. Tsiahivina hatrany fa ny fanambarana loza mitatao ao Anosizato dia 3 m. Tao Bevomanga indray dia tafiakatra 3,05m ny haavon’Ikopa. Tao anatin’ny 7ora izany dia nahitana fiakarana hatrany amin’ny 0,11m izany ary mbola hitohy hiakatra ihany ao anatin’ny 12ora. Tsiahivina fa 4m no haavon’ny rano rehefa mitatao ny loza ao Bevomanga. Ho an’Ampitatafika indray dia niakatra ho 2,85m ny haavon’i Sisaony omaly. Tao anatin’ny 7 ora dia nahitana fiakarana 0,20 m ny rano ary mbola hiakatra ihany koa io ao anatin’ny 12 ora. Ho an’ny reniranon’i Imamba indray dia nahatratra 8,35 m ny haavon’ny rano, izany hoe tao anatin’ny 7 ora dia nahitana fiakarana 0,06 m ny rano. Ampatsiahivina hatrany fa ny mari-drefy 0 dia midika fa tsy misy ny loza. Ny mari-drefy iray kosa na ny fanambarana miloko maitso dia milaza fampitandremana. Ny mari-drefy 2 sy ny fanambarana miloko mavo dia fanambarana loza ary ny mari-drefy 3 sy ny fanambarana miloko mena dia efa fanambarana loza mitatao. Mba hisorohana ny fifandisoana amin’ny fanambarana dia tokony hisy lera sy daty mazava hatrany ny fampahafantarana rehetra ka ity ambara ity dia ny vokatry ny fitiliana nataon’ny Apipa ny 11 janoary 2016 tamin’ny 3 ora tolakandro.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT