Tsy mbola misy atahorana ny fiakaran’ny ranon’Ikopa taorian’ireny ora-nikija teto an-drenivohitra ireny, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny APIPA Rateloson Philippe. Vao 96 sm mantsy amin’izao ny haavon’ny rano raha any amin’ny 2 m sy 50
izany vao tena atahorana. Na izany aza, amin’ny fotoana fisian’ny rivodoza, indrindra fa ilay fito andro hisian’ny ora-mikija vao tena atahorana ity farany, hoy hatrany izy. Efa vonona avokoa anefa ireo fotodrafitrasa rehetra ilaina mifandraika amin’izany na dia tsy mbola vita 100% aza, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny APIPA, asa niarahany tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny SAMVA. Mikasika ny rano miakatra amin’ireo faritra sasany eto an-drenivohitra kosa dia nohazavainy fa mizara telo miavaka izy ireny. Ho an’ny faritra 67 ha dia nomarihina fa tao anatin’ny ara-dalàna ny fanotofana ireny toerana ireny ka tsy misy atahorana, izany hoe 1249,50 m ny haavon’ilay toerana. Antony mahatonga ny rano hiakatra eny 67ha ny tsy hafahafan’ny bizo misehaka ireo karazana rano maloto avy amin’ny tokantrano maro samihafa ankoatra ny fako arian’ny olona. Raha latsak’io isa voalaza io kosa toy ireo olona tsy manana tany ka manorina eny an-tanimbary na ireo manorina ambanin’io isa io dia tsy maintsy tondraka ny faritra misy azy na inona na inona ataony.
Pati
Sary Nofy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.