Kaominina miisa 11 no mila mitandrina eto Antananarivo sy ny manodidina vokatry ny ora-mikija tato ho ato.
Anisan’izany ny kaominina Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe izay lalovan’ny ranon’Ikopa sy Sisaony ary Imamba. Ho an’ny reniranon’Ikopa manokana dia 1,40 m ny haavony teo amin’ny mari-drefin’Anosizato omaly. Niakatra 0,12 m ny rano tao anatin’ny 17 ora ary mbola hiakatra mandritry ny 12 ora manaraka. 3,00 m ny refy fanairana milaza loza manambana eo Anosizato. 3,57 m kosa ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Niakatra 0,18 m ny rano tao anatin’ny 17 ora ary mbola hiakatra mandritry ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy fanairana milaza loza manambana eo Bevomanga. Ho an’ny reniranon’i Sisaony kosa indray dia 3,04 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika omaly. Tsy niakatra tsy nidina ny rano tao anatin’ny 17 ora nefa hidina mandritry ny 12 ora manaraka. Ho an’Imamba manokana dia 8,24 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Nidina 0,06 m ny rano tao anatin’ny 17 ora. Na izany aza anefa dia fantatra fa tsy mbola misy atahorana firy ny fiakaran’ny rano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.