Actualités

Fiainana antoko Mipatitaka ireo mpikambana HVM


  • Alatsinainy 14 Martsa 2016

Tsy takona afenina intsony ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ny samy mpikambana HVM any Tolagnaro

 

. Ifandroritana ary samy mitonona ho tompony. Manana ny ekipany ny lehiben'ny faritra Anosy, toy izany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice, izay zanak’iny faritra iny. Ireo solombavambahoaka mirahalahy voafidy tany Tolagnaro moa efa efa nisintaka tsy hiara-dia na hanohana intsony ity fitondrana ity. Lojika izany, hoy ny depiote Jerry Hatrefindrazana fa maro ny asa fampandrosoana nangatahina ho an’i Tolagnaro kanefa tsy misy valiny na iray aza. Aleo mifampitso-drano, hoy izy. Akoatra izay, ireo lohandohany mpitarika HVM efa manomboka miady varotra ho kandida HVM amin'ny fifidianana lehibe'ny faritra atsy ho atsy. Velona ny ady politika eo amin'ny samy HVM, raikitra ny samy mandeha samy mitady any Anosy.

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT