Actualités

Fiahiana ny fahasalamam-bahoaka Mamono bibikely sy moka ny Kaominina


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Niroso tamin'ny asa fanondrahana fanafody iadiana amin'ny moka sy ny bibikely ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tao amin’ny Boriborintany faha-4 no nisantarana izany, notarihin'ny Delege Ratsisetraina David Aimé.

Ny faritra faha-3, iray amin'ireo faritra efatra ao anatin'ny fokontany Anosibe Andrefana I, misy mponina 9.947, no nanombohana ny asa. Ankoatra ny famonoana ny moka dia misy ihany koa ny famonoana ireo mikraoba any anaty tatatra sy lakandrano ary lavapiringa. Haharitra enina andro ny hetsika ao anivon'ny Boriboritany Fahaefatra raha enim-bolana no tontalin’izy rehetra hiparitaka manerana ny Boriborintany enina. Anisan'ny laharam-pahamehana ho an'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana izay angady nananana izao asa sosialy izao ny fiahiana ny mponina eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana sy fahadiovana.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT