Actualités

Fiahiana ara-tsosialy Tsy maintsy hampidirina CNaPS ny mpiasa rehetra


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Niompana bebe kokoa tamin`ny fanatsarana ny asa sy ny tontolony eto Madagasikara ny filankevitry ny minisitra ny zoma 03 mey lasa teo.

 

Notapahina nandritra ny filankevitry ny minisitra fa hohatsaraina ny fiahiana ara-tsosialin`ny mpiasa rehetra. Rehefa nisy ny fanapahan-kevitra noraisina mifandraika amin`izany dia omena telo (3) volana ny Tahirim-pirenena amin’ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) hanohy ny fanentanana ho an`ny mpiasa rehetra hiditra ho mpikambana ao aminy. Aorian`izay, tsy maintsy manao fanambarana ny mpiasa rehetra ireo mpampiasa hisian`ny fiahiana ara-tsosialy amin`ireo mpiasa ao amin`izy ireo. Omena andraikitra ihany koa ny minisiteran`ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran`ny asa, ny fampananan`asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy miaraka amin`ny CNaPS hanao fanadihadiana momba ny fiahiana ara-tsosialy tokony ho an`ireo mpiasa mahaleotena tahaka ny mpamboly, mpanjono, mpivarotra ary mpanao asa tanana. Tokony hivoaka mialoha ny faran`ity taona ny valin`ny fanadihadiana hataon`izy ireo. Aorian`izay, tokony horaisina ireo fepetra rehetra amin`ny fiantohana ny fiahiana ireo mpiasa ireo raha sendra marary. Voalaza tao anatin`io filankevitry ny minisitra io ihany koa fa tokony hihatra manomboka ny 2020 ny fanamorana ny hahazoana fisotroan-dronono ary tokony hanavaozana hifanaraka amin`ny vanim-potoana ankehitriny ny didy aman-dalàna momba ny fiahiana sy ny fiarovana ara-tsosialy ny mpiasa. Notsiahivina ihany koa ny atao hoe asa mendrika araka ny famaritana nataon`ny OIT : asa ahafahana mamokatra sy ahazoana karama ara-drariny, asa misy fiarovana eny anivon`ny toeram-piasana ary misy fiahiana ara-tsosialy ho an`ny fianakavin`ny mpiasa … Marihina fa ny 6%-n`ny Malagasy no manana anton`asa mendrika sy mahavelona ny fianakaviany. Maro ihany koa ireo orinasa mampiasa olona an’arivony maro tsy manao fanambarana eny anivon’ny CNaPS ka maro be ireo mpiasa no very zo. Manararaotra ireo mpampiasa noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ka dia tsy mahalala akory fa misy zo tokony hositrahan’ireo mpiasa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT