Ady amin’ny kolikoly, fiarovana ny zon’ny mponina sy ny fianakaviana marefo, tohana ho an’ny fanatsarana ny asam-pitsarana sy ny fitondrana, ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy, ady atao amin’ny herisetra rehetra, ary ady amin’ny fanodinkodinana sy fivarotana olona sy ny fananany
. Ireo no andraikitra hosahanin’ity vondrona iray mijoro ara-dalàna eto Toamasina nanomboka ny 03 oktobra lasa teo, antsoina hoe “Organisme de Protection Social et Clinique Juridique” fantatra amin’ny anarana hoe “AROZO”. Ao depot Analakininina ny foibeny ary sampan’ilay efa mijoro eto Antananarivo ity mijoro sy miasa ao Toamasina ity. “Fampanjakana sy fikarohana ny fahamarinana ary fiarovan-jo ho an’ireo marefo” no hijoroanay, hoy Atoa HA – PO Vincent Emile tale provinsialin’ny vondrona. “Koa asaina ireo rehetra mahatsoaro very zo sy marefo ka hiharan’ny tsindry hazo lena, mba hanatona anay hijerentsika ny momba ny raharaha mihatra aminareo”, araka ny antson’Atoa HA – PO Vincent Emile hatrany. Ny pretra ny fiangonana katolika ao Depot Analakininina no nitso-drano ny trano misy ny foiben’ny vondrona, izay nanafatra ihany koa, fa natao hitady ny marina sy hiaro ny osa ary ny tratry ny tsindry hazo lena ny tena atao hoe kristianina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.