Actualités

Fiahiana ara-tsosialy any Atsimo 35 tapitrisa dolara ho an’ny olona 320 000


  • Alatsinainy 14 Novambra 2016

Hatramin’ny faran’ity taona 2016 ity, olona 320 000 any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy dia any Tsihombe, Beloha, Ambombe, Bekily ary Amboasary no hahazo sy hisitraka ilay fanampiana ara-tsosialy antsoina hoe”vatsin’ankohonana”.

 

 Neken’ny filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny 10 novambra lasa teo mantsy ny famatsiana ara-bola  mahatratra 35 tapitrisa dolara hahafaha-manatanteraka ity tetikasan’ny governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny mponina ity.  Ny taona 2015 dia vola mitentina 40 tapitrisa dolara no neken’ny Banky Iraisam-pirenena hampindramina an’i Madagasikara mba hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy ka 4 taona ny faharetan’ny tetikasa saingy izao dia nahazo 35 tapitrisa dolara ary tsy honerana intsony, izay hahafaha-manampy ny olona any Atsimon’ny nosy mandritra ny 18 volana. Mitohy hatrany ny fifandresen-dahatra sy ny fitadiavana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny mponina tarihin’ny minisitra Onitiana Realy sy ireo mpiara-miombon’antoka ka isan’izany ny Banky Iraisam-pirenena. Vao tsy ela akory izay no nihaona ny minisitra Onitiana Realy sy I Coralie Gevers, Mpandrindra ny asan’ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika ka nilazan’ity farany fa mipetraka ny fitokisan’ny Banky Iraisam-pirenena an’i Madagasikara.


 

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT