Actualités

Fiadidiana ny Repoblika Mamokatra gazoala tsy ara-dalŕna ao Ampangabe ?


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Roa taona no nisian’ilay fitrandrahana gazoala tsy manara-dalŕna ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampangabe distrikan’Ambohidratrimo.

 

 Ny volana jolay 2016 kosa no nanomboka nitaraina amin’ny voka-dratsin’io orinasa ankalamanjana io ireo mponina eny amin’ny manodidina, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rabenirina Maminiaina. Efa nijery ny zava-misy teny ifotony ary nanao fanadihadiana momba ny tranga manimba ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny eny an-toerana rahateo ny depiote Tiako I Madagasikara. Fantatra tamin’izany fa tsy mahalala ny fisian’ity fanodinana solika tsy manara-penitra ity akory ny governemanta, araka ny taratasy avy amin’ireo minisitera mpiahy toy ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny akoranafo. Milaza anefa ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny primatiora fa tsiambaratelon’ny fanjakana ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Fiadidiana ny Repoblika io famokarana solika tsy eken’ny fiaraha-monina eny Ampangambe io. Tsy misakana ny asa fampandrosoana ireo vahoaka solon’ny depiote Rabenirina Maminiaina tena fa mangataka kosa ny fanatanterahana izany ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT