Tsy mifanaraka amin’ny isan’ny voafonja intsony ny haben’ny fonja ao Vakinankaratra. Fantatra io nandritra ny hetsika fifampiarahabana noho ny Asaramanitra nataon’ny fiadidiana ny Fonja any an-toerana.
Ho an’i Vakinankaratra dia fantatra fa misy fonja lehibe roa dia ny ao Ambatolampy sy Antsirabe. Efa mihoatra ny fenitra ny olona voatazona ao satria efa 577 ny ao Antsirabe raha tokony ho 250 ihany no zakany. Ny ao Ambatolampy koa mahatratra 273 raha tokony ho 140. Ankoatra ireo moa dia misy fonja kely miisa 3 hafa sy saha fanarenana 2 any an-toerana. Miteraka aretina maro ao am-ponja ny vokatry ny haterena. Anisan’ny aretina mpahazo ireo voafonja ny kohaka sy ny gripa ary ny aretim-pivalanana ankoatra ny aretim-bavony vokatry ny fihinanana mangahazo maina manandava-taona. Raha ny nambaran’Atoa Razafintsalama Désiré, Talem-paritry ny fiadidiana ny fonja ao Vakinankaratra dia hametraka fanamby amin’ny fametrahana ny fenitra amin’ny fitantanana ny fonja izy ireo araka ny fitakian’ny Governemanta sy ny Minisiteran’ny Fitsarana ka laharam-pahamehana amin’izany ny fanamafisana ny fiarovana ny fonja ary ny fanomanana ny famerenana ireo voafonja eny anivon’ny fiarahamonina indray amin’ny fanajana ny zon’olombelona. Araka ireo dia izay no hanaovan’ny mpitantana fanamby amin’ny fanarenana. Fa ho famahana ny olana eo amin’ny fanarenana ny voafonja sy ho fanampiana ara-tsakafo ireo voafonja dia hosokafana ireo saha fanarenana maromaro eo am-pelatanan’ny fiadidiana ny fonja ao Vakinankaratra ka hametrahana ireo voafonja mba hamokatra indray. Miantso fifanomezan-tanana amin’ireo malala-tanana, araka izany, ny mpitantana ankoatra ireo efa mpanao asa soa mpiara-miasa amin’izy ireo amin’izay ezaka hataon’izy ireo ho an’ireo voafonja. Saika ny fiangonana moa no tena miara-miasa akaiky amin’ny fonja ao Antsirabe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.