Actualités

FFKM niarahaba ny filoha Mivady Fampandrosona araka ny sitrapon’Andriamanitra no tanjona


  • Zoma 10 Janoary 2020

Tonga niarahaba sy nitafa tamin'ny filoha Andry Rajoelina mivady ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM omaly alakamisy 9 janoary 2020,

tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. "Haja ho an'izay tokony hohajaina" no teny nentin'ny filoha mpitarika ny FFKM, ny Pasitera Irako Andriamahazosoa Ammi avy ao amin'ny FJKM, niarahabana azy mivady amin'izao taom-baovao izao. Tsy maintsy miresaka sy mifanome tanana ho an'ny fampandrosoana ny filoham-pirenena sy ireo filoham-piangonana ao amin'ny FFKM, hoy hatrany ny tenany satria vahoaka iray no karakaraintsika ary firenena iray no ampandrosoana ka tsy tokony hifampisorona amin'izay tena hahasoa tokoa ny firenena ny rehetra. Ny tanjona iraisana moa dia ny mba hizoran'i Madagasikara amin'ny fandrosoana araka ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Pasitera Irako Andriamahazosoa Ammi, izay hamarana tsy ho ela ny fotoam-pitantanany ny FFKM, ka hampita ny fitantanana amin'i Dr David Rakotonirina, avy amin'ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara, hanomboka ny 19 janoary ho avy izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT