Actualités

Fetin’ny Paska 2017 Tafakatra 12 ny maty


  • Alarobia 19 Aprily 2017

Tafakatra 12 ny isan’ireo olona namoy ny ainy manerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska lasa teo.

Ny fito tamin’ireo dia teto an-drenivohitra avokoa ka ny dimy nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra sy vonjy aina etsy amin’ny hopitaly HJRA. Maty an-drano sy hita faty teny an-dalana kosa ny roa ambiny, lehilahy 45 sy 36 taona. Ny dimy hafa kosa tany Fianarantsoa izay anisan’ny toerana nitrangana loza betsaka ihany koa taorian’Antananarivo. Nahatratra 33 ireo tonga nanao fizaham-pahasalamana ho an’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ihany ka ny enina tamin’ireo no notazonina ho an’ny sampana vonjy aina raha 250 ho an’ny sampana vonjy taitra ka ny 58 tamin’ireo no notazonina. Nahatratra 250 ireo naratra nandritra ny alahady sy ny alatsinain’ny Paska ka ireo karazana adiady vokatry ny hamamoana no betsaka. Enina toran’ny toaka, efatra namono tena, efatra tapaka lalandra. Tsy nisy kosa ny fahapoizinana ara-tsakafo. Mikasika ny fampitandremana nomena kosa indray, asa nosahanin’ny zandarimariam-pirenena, dia nahatratra 2.099  ka anisan’ireny ireo olona mamo dia nigafy. Nahatratra 324.500 Ar ny lamandy nalaina. 12 ny fiara samy fiara nifandona, enina ny trangana lozam-pifamoivoizana naharatra olona 44. Nahatratra 19 ny tolo-tanana nataon’ny zandary.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT