Actualités

Fetin'ny paska 2016 Nihena ny isan’ireo olona nanatona ny hopitaly


  • Alarobia 30 Martsa 2016

217 isa ireo olona nila famonjena tonga nanatona ny hôpitaly HJRA Ampefiloha nandritra ny fetin’ny paska lasa teo, nahatratra 275 isa tamin’ny taon-dasa.

 Ny 67 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly  izay lasibatry ny ratra nateraly ny ady sy ny fifamonoana tamin’ny ankapobeny ankoatra ny lozam-pifamoivoizana. Iray kosa no namoy ny ainy izay nitovy tamin’ny taon-dasa ihany. Tamin’ny alatsinainy no tena betsaka, hoy ny dokotera Rabary Naritiana satria  nahatratra 129 ireo tonga nanatona ny sampana vonjy taitra. 88 ny alahady. Ho an’ny sampana fameloman’aina kosa indray izay mandray ireo olona voapoizin’ny sakafo sy tsy mahatsiaro tena vokatry ny fisotroan-toaka dia zazalahy kely iray vao 14 taona monja  no mamo tampona ka voatery naiditra hopitaly. Tafiditra tao anatin'ireo sivy nandalo tao amin'ny efitrano fameloman'aina izy io  ary efa nivoaka soa aman-tsara. Vehivavy efatra niampy zaza iray kosa no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo,  raha renim-pianakaviana iray no tsy nahazaka ny sakafo nohaniny ka voatery naiditra hopitaly ihany koa. Efa nalefa nody ny ankamaroan'izy ireo taorian'ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana natao taminy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT