Actualités

Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona Mandeha ny tsenan’ny sary pika


  • Alarobia 23 Desambra 2015

Nanomboka ny zoma 18 desambra 2015 lasa teo ny fahafahana mamelatra ny tranoheva fakana sary teto anivon’ny faritra Antananarivo Renivohitra.

 

Tranoheva miisa 40 izay manana refy eo amin’ny 2m x 2m no efa tafatsangana amin’izao fotoana izao. Ny antony izao dia ny mba hanomezana fahafaham-po ireo kilonga kely amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao rry tsy hitsahatra raha tsy amin’ny 4 Janoary 2016.

Araka ny nambaran-dRakotomalala Hery izay Lefitry ny Lehiben’ny Boriborintany Voalohany dia : «10 000 Ariary no tsy maintsy hefain’ny tranoheva fangalàna sary tsirairay mandritra ny fankalazana ny fetin’ny noely ary tsy maintsy samy mitondra ny «badge» famantarana izy ireo mba hahafahany miavaka amin’ireo tsy manara-dalàna». 1500 Ariary isan’olona no saran’ny fakana sary ary eo no ho eo ihany dia vita. Nanamafy àry ity mpaka sary iray fa : «amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao dia tena mandeha tokoa ny tsena satria olona manodidina ny 50 eo ho eo no mitsidika ny tranoheva iray. Eto izahay dia manolotra fisaorana feno ho an’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo satria raha tsy nanome alalana izy ireo tsy afaka nipetraka teto izahay».

Tsara homarihina fa tsy mpaka sary ihany no hita eny amin’ireo toerana fampifalifaliana ankizy fa eo ihany koa ireo kilalao maro samihafa toy ny soavaly hazo, « manège » … Etsy an-daniny, ny fiadidiana ny tanàna dia manao izay ho afany amin’ny fandaminana sy ny fanaraha-maso mba hiatrehana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona am-pitoniana sy am-pifaliana.

Rabri


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT