Actualités

Fetin’ny mpifankatia Nafana ny korana teny amin’ny Akoor digue niarahana tamin’ny BNI


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Nafana ny korana teny amin’ny “Centre commercial Akoor” eny amin’ny digue izay nisokatra ho an’ny mpifankatia rehetra tamin’ny sabotsy teo,

 

24 ora tsy nahatongavan’ny fetin’ny mpifankatia izay nankalazaina omaly. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tao ny banky BNI Madagascar miorina ao amin’ity ivontoeram-pivarotana iray lehibe ity nentina nanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa sady nampahafantarana ny fisian’ny banky ao an-toerana ihany koa. Ny fametrahana ny masoivohon’ny banky BNI ao amin’ny Akoor mantsy dia midika ho fanakaikezana hatrany ny mpanjifa, raha araka ny fanazavan’i Lucka Rahanetra, tompon’andraikitra ao  an-toerana. Ekipa tanora sy mavitrika avokoa no nandray ny mpanjifa tamin’izany sady nampahafantatra ireo karazam-bokatra azon’ny banky hatolotra ny rehetra ihany koa. Narahin’ny fikarakaran’izy ireo ilay tombola Saint Valentin izany izay nahazoana bons d’achat hahafahana miantsena ao amin’ity magazay iray lehibe ity. Notanterahina ny sabotsy lasa  teo ny fisarihana ny tapakilan’ireo tsara vintana izay efa naparitaka teny anivon’ireo banky BNI maro samihafa eto amintsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT