Tsy nomen’ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra alalana hanatanteraka ny fetin’ny labiera eny Coliseum Atsonjombe ny mpikarakara.
Ny lehiben’ny ny delegasiona manokana ny tanànan’Antananarivo Atoa Ny Hasina Andriamanjato mihitsy no nanakana ny hanatontosana izany raha ny nambarany. Amin’izao fotoana mantsy, hoy izy dia misy ny ady ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny zava mahadomelina, ka tsy izy ireo indray no andeha hanao mpitari-bato vilam-bava amin’izany. Nomarihany anefa fa tsy manakana ny hanaovana io hetsika io ny tenany raha any amin’ny toeran-kafa. Efa lalàna mipetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana mantsy, hoy izy ny tsy fanaovana fety mahakasika na manome lanja ny zava-mahadomelina amin’ny toerana ho an’ny daholobe. Anisan’ny fanazavana nomeny ihany koa ny hoe : betsaka ny olona no tsy mahafehy ny tenany rehefa mahazo zava-pisotro mahamamo ka manaotao foana. Mifanindran-dalana rahateo amin’ny tetikasa entina hampihenana ny herisetra sy fitandroana ny maha olona ity fety momba ny labiera ity ka izany no tena antony tsy nanomezana alalana ny mpikarakara hanao ny hetsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.