Amin'izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao dia magazay maro manerana ny Nosy no manao tolotra samihafa isarihana ny mpanjifa. Anisan' izany ny tranombarotra Baolai izay mikarakara "Tombola" goavana
«Efa nanomboka ny voalohan' ny volana novambra lasa teo ary tsy hifarana raha tsy ny faran' ny taona 2014 ny fanomezana ny tapakila fandraisana anjara amin’izany ka izay mividy entana manomboka amin’ny iray hetsy Ariary dia mahazo tapakila iray», hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny tranombarotra. Fahitalavitra fisaka 42 pouces marika "Changhong" no loka voalohany amin' izany ka ny 31 desambra 2014 no hatao ny fisarihana. Hetsika fanaon’ity tranombarotra ity isan-taona izy io ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa fa naroso volana novambra. Maro karazana ny entana ao amin' ity tranombarotra ity, toy ny "panneaux solaires" izay ihazakazahan' ny olona tokoa na ny avy any ambanivohitra, na avy any an-drenivohi-paritany rehetra mba hisorahana amin'ny fahatapahan' ny herinaratra lava be sy misesisesy tato ho ato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.