Zokiolona hatrany amin’ny 400 niampy mpikambana mpandraharaha ao amin’ny birao eny Anosizato sy mpanao gazety mpiara-miasa ihany koa no notoloran’ny Hafari Malagasy akoho sy gana ho solombodiakoho noho ny tonon-taonan’ny Asaramanitra tamin’ny sabotsy faran’ny herinandro teny teny Anosizato
. Tafiditra rahateo tamin’ny famaranana an’ilay « Vitrine fihariana » amin’ny hetsika Exode urbain notontosain-dry zareo hatrany Soaniadanana PK 67 lalam-pirenena faha-4 koa izy ity. Nohamafisin’Atoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy moa fa manantena ny fiaraha-miasa matotra amin’ny minisitera mpiahy afaka mijery mivantana ny vahoaka ry zareo amin’ny governemanta vaovao hitsangana eo ka izany no antony nandefasan-dry zareo niaraka tamin’ny fivondronan’ny fiarahamonina sivily, lisitra anarana minisitra vitsivitsy tena afaka manatanteraka izany hetahetany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.