Loza sy faty olona no niafaran’ny fety nentina nanamarihana ny faha-59 nitsingerenan’ny fahaleovantena teny Mahamasina omaly alarobia 26 jona. Vokatry ny fifanosehana teo am-bavahady hijery “Podium”,
dia olona manodidina ny 96 no voatery naiditra tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha noho ny ratra nateraky ny fianjerana, ka voatsindry, naratra mafy, tery, sempotra,... Raha ny loharanom-baovao azo tamin’ny Lehiben’ny hopitaly ny Pr Olivat Rakoto Alson omaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina, 16 no namoy ny ainy. 80 teo ho eo no mbola nanaraka fitsaboana, ka ny 4 eo no tena voa mafy na ao anatin’ny “état critique”, ka ny iray dia tena efa nampanahy omaly. Tanora ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy ary misy zazakely iray 4 taona. Ny tahaka izao no ilana fandaminana sy filaminana mila tandrovina hatramin’ny farany fa tsy vita ny lanonana ara-panjakana dia manomboka ny baranahiny sy ny gaboraraka. Tsy sanatria manakiana be fahatany fa rehefa dinihina miainga amin’izao toe-javatra izao dia nandritra ny fisian’ny filoham-pirenena sy ny olo-manankaja samihafa no tena tena notandrovina ny filaminana ary nandraisana fepetra. Tsy vao izao no nisiana faty olona teny Mahamasina taoriana fety tahaka izao, fa ny 25 janoary 2014 taorian’ny fianianan’ny filoha Rajaonarimampianina tamin’izany, dia nisy ilay fipoahana niseho nahafatesana olona. Ny 26 jona 2016 dia nisy ihany koa ny tahaka izany ka 2 maty ary 89 naratra vokatry ny fipoahana taorian’ny firavan’ny olona. Ny 9 septambra 2018 tamin’ny lalao baolina kitra nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ry zareo Senegaley koa dia nisy faty olona noho ny fifanisihana tahaka izao.
Nankahery ny fianakavian’ireo maty sy naratra omaly hariva ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha Roandey Paul Kagame nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo teny Iavoloha ary nanambara fa ho raisin’ny fanjakana Malagasy an-tanana ny fikarakarana ireo niharam-boina rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.