Tontosa tao anatin’ny fifankatiavana sy ny firahalahiana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-59 niverenan’ny fahaleovantena, ho an’ny kaominina Ivato.
Izay ihany, hoy ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa no hany vahaolana tokana hahafahana mampandroso ny firenena ary mbola vonona izy ireo ny haneho izany amin’ny mpiara-belona. Fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny firenena sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nisantaran’izy ireo ny lanonana, omaly ka antoko mpihira avy amina fiangonana maro isan-tsokajiny no nandray anjara. Nitohy tamin’ny matso lehibe nandraisan’ireo fikambanana, mpianatra, hery velona maro samihafa ao anatin’ny kaominina anjara ny fotoana nofaranana tamin’ny fizarana bisikoitra sy vatomamy. Mahay mandray lesona moa ny kaominina Ivato raha tsiahivina satria dia tsy nisy ny fiaraha-misakafo taorian’ny lanonana nisorohana ny fandanindaniam-poana. Naleon’izy ireo nividianana fanomezana ho an’ireo olona sahirana izany ka olona miisa 150 no nahazo tombontsoa ny talata 25 jona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.