Actualités

Fęte de la Gastronomie Nisongadina ny vita Malagasy


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Tanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba nanomboka omaly, haharitra telo andro, ilay hetsika « fęte de la gastronomie » entina hanomezan-danja ny sakafo Malagasy natoraly tsy nampiasana akora hafa.

 

 Mpampiranty manodidina ny 20 no mandray anjara amin’izany izay samy miezaka manandratra ny sakafo vita Malagasy avokoa amin’ny alalan’ireo vokatra vokarina eto an-toerana. Tanjona ny hahafahan’ny isan-tokantrano mampiasa ireo karazan-tsakafo vita Malagasy feno hery sy tanjaka, misy ireo karazana otrikaina ilain’ny vatana izay marihina fa misy fanandramana maimaimpoana. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fivarotana ireo karazana kojakojan-dakozia fampiasan’ny renim-pianakaviana toy ny sotrobe hazo…izay marihina fa manome tsiro miavaka ny sakafo ihany koa. Arahin’ny fampisehoana ireo karazana fomba nahandro am-polony  avy any ivelany izany toy ny ao Frantsa  sy Gabon.

Pati

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT