Isan-taona dia lasa fety be ao Toamasina ny taom-piotazana lodsia, izay hetsika ara-toekarena iray mampidi-bola ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana.
Mandritra izany mantsy no mandefa ireo lodsia any eoropa izay tena mpanafatra ny vokatra Malagasy ireo mpanondrana. Efa betsaka tamin’izy ireo aza no efa manomana sahady ity taom-piotazana 2015, tamin’ny efa fandraisana mpiasa mialoha noho ny fanofanana tsy maintsy atao alohan’ny fanombohan’ny taom-pihotazana. Tsy nanao ambanin-javatra izany koa ireo mpikirakira ny resaka fizahantany, ka hisian’ny tena fety mandritra ny taom-piotazana dia nanomana hetsika ihany koa izy ireo, niarahany amin’ny vondron’ny tanora natambatry ny “facebook” Ino Maresaka Tamatave sy ireo namorona ny hetsika hatramin’ny taona 2007, ka nanomana hetsika antsoina hoe “Maresaka Tamatave, Avy Litchi eh” ny 13 hatramin’ny 15 novambra ho avy izao. Efa nisy ihany ny hetsika teo aloha saingy noho ny krizy politika nanomboka ny taona 2009 naharitra 5 taona, dia voatery nanatsahatra ny hetsika ireo mpikarakara izany noho ny toe-java-nisy ara-politika tsy nahasarika ireo mpizahatany avy any ivelany sy ireo ato anatiny. Mandritra ny telo andro hisian’ny hetsika dia hisy ny fampisehoana samy hafa ara-kolontsaina sy ara-pikirakirana sakafo mampiavaka ny Betsimisaraka, ireo hetsika ara-java-kanto samy hafa ihany koa, ary ny hetsika ara-pifaninanana ara-panatanjahantena. Ny tanjona amin’izao fanaovana ny hetsika “Maresaka Tamatave, Avy Litchi eh” izao, hananganana ivontoerana iray momba ny kolontsaina sy fizahantany, fampahalalana ny rehetra ny kolontsaina sy soa toavina Betsimisaraka, ary ny fampahalalana an’i Toamasina eto an-toerana sy any ivelany amin’ireo harena maro misy ao aminy. Efa vonona ny mpikarakara rehetra ao anatin’ny hetsika, ny fotoana sisa handrasana, araka ny fanazavana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.