Masiaka ny varatra any amin’iny Distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava iny na amin’izao vanimpotoanan’ny maintany izao aza.
Lehilahy lehibe iray enimpolo taona mahery sy vehivavy roa ka mitondra vohoka ny iray no lasibatry ny varatra tany amin’ny Fokontanin’i Tsinjoarivo, Kaominina Ambohitromby. Trano iray ihany koa no may kila hotohoto tamin’io. Nirehidrehitra ny varatra, ny andro anefa tsy dia nanorana. Etsy an-kilan’izay dia mirongatra ny doro tanety any Fenoarivobe, tranga izay manintona varatra araka ny filazan’ireo mpandinika ny nentim-paharazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.