Actualités

FENOARIVOBE


  • Alakamisy 17 Martsa 2016

Nipoaka tampoka ara-bakiteny ny tany tao Andohasahakely, Fokontany Ampasimbe.

 Nahatratra 15m teo ny haavon’ny ranontany avy eo nitosaka tany an-tanimbary. Velaran-tanimbary maromaro no tototra vokatr’izany. Tsy mbola nisy nitondra fanazavana mazava an’io fipoahana io.

AMBATOMENA
Notokanana omaly ny tohatohabato vaovao etsy Ambatomena – Boriborintany I Antananarivo Renivohitra. Fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Filatex no nahavitana azy ity.

MORONDAVA
Kamiao roa feno hazo no nogiazan’ny polisy, noho ny fandikan-dalàna. Sady mandeha amin’ny alina no tsy nisy taratasy ny hazo nentin’ny kamiao iray, izay voasesika voamboana na “palissandre” valopolo isa rehefa nosavain’ny polisy tao Bemanonga.

TANJOMBATO
Hisokatra anio eny amin’ny Forello Tanjombato ny hetsika ara-toekarena ASIA-IO andiany voalohany, ary hitohy hatramin’ny 20 martsa.

TOLAGNARO
Hotanterahina anio ao an-drenivohitry ny faritra Anosy ny dinika politika ifanaovan’ny governemanta Malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT