Notokanana ny sabotsy 1 desambra lasa teo ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo.
Tonga nanatrika ny lanonam-panokafana ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, niaraka tamin'ny minisitry ny fitsarana Harimisa Noro Vololona. Tamin'izany no niresahany ny momba ny tranga mampalahelo teny an-toerana sy ny fitsarana izay natao hiarovana sy hialofan'ireo izay tena mila azy. Nanazava ny maha zava-dehibe ireo olon'ny lalàna ny filoham-panjakana ary nahatsiaro manokana ireo polisy namoy ny ainy teo am-panaovana ny adidiny. Teo am-pamaranana dia nanambara ihany koa izy ny amin'ny fahendrena tokony hananan'ireo olon'ny lalàna izay hiasa ho an'ny fitsarana. Hatramin`izay, rehefa misy raharaham-pitsarana ao anatin`ity faritra ity toa an`i Sainte-Marie, Vavatenina, Soanierana Ivongo… dia any Toamasina avokoa no tsaraina ka zava-dehibe eo amin`ny tontolon’ny fitsarana ny fisian`ity fitsarana vaovao ity, indrindra amin`ny fanafainganana ny fampandehanan-draharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.