Actualités

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona


  • Zoma 19 Jolay 2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

 

 «Fandraharahana ny fonja mivoatra, manaja ny zo maha olona, antoky ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ». «Tsy misy filaminana sy fandriampahalemana raha tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ireo mpandraharaha ny fonja », hoy ny praiminisitra Ntsay Christian, izay nisolotena ny filoha. Hisy ny lamina vaovao hapetraka handrindrana ny asa rehetra ary ny eo amin’ireo mpitsara sy mpandraharaha ny fonja. Ezahina ny hanangana fonja vaovao hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena mba ho fanajana ny zo maha olona, ho an’ireo voafonja, satria iaraha-mahalala fa be loatra ny isan’izy ireo ka tsy mifanaraka amin’ny fotodrafitrasa misy eto amintsika. Hojerena manokana ihany koa ny hamerenana eny anivon’ny fiarahamonina an’ireo olona nisazy. « Tsy natao ho toerana famaizana fotsiny ny fonja, fa toerana natao hisaintsainana sy hahafahana mandamina ny famerenena ireo voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina, rehefa mahavita ny saziny izy ireo », hoy ny praiminisitra. Nankasitraka ireo ezaka efa vitan’ny minisiteran’ny Fitsarana, izay mpiahy ny fandraharahana ny fonja ny lehiben’ny governemanta, anisan’izany ny fanatsarana ny sakafon’ireo voafonja, hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo saingy mbola betsaka ny ezaka miandry, toy ny fampitaovana ny fiara mitondra ireo voafonja mamonjy ny fitsarana azy, indrindra ny fitaovam-piadiana ho an’ireo mpandraharaha ny fonja mba ho fitandroana ny filaminana. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT