Feno 2 taona katroka omaly alakamisy 2 mey ny onjam-peo tsy miankina Top Radio eo amin’ny mari-drefy 102.8Fm, izay manana ny endriny hafa mihitsy ankehitriny na eo amin’ny fitantanana na ny fandaharana vokarina, izay miezaka mizara ny soa sy ny tsara ho fanasoavana ny fiarahamonina sy ny firenena izay miseho amin’ny endrika samihafa.
Manana ny tarigetra lehibe voizina dia ny hoe : « Sahy miteny ho an’i Gasikara”. Zavatra roa nibahana tao anatin`izay roa taona izay ny safidy napetraka, niainga tamin’ny maha malagasy 100% sy ny lafiny ara-teknika, izay tsy maintsy nohatsaraina foana hatrany. Porofon’izany, voafehy ny fahatapahan’ny onjam-peo, voafehy ny fampitana feo anaty tokantrano ary voarain’ny olona ilay safidy maha malagasy. Efa mahafehy tsara ny maha matihanina azy ny fahatokisan’ireo vahiny tonga maneho hevitra sy fampitana mivantana tahaka ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny masoivohon’ny Inde Atoa Abhay Kumar, izay vao tamin’ny alarobia 1 mey lasa teo, izay voalohany indrindra ho an’ny Top Radio. Nanambara ny Talen`ny onjam-peo, Rtoa Sylvia Rakotoson fa hizotra any amin`ny fanatsarana hatrany ny onjam-peo ka tsy hitsahatra ny hivoatra ho matihanina ary tsimialonjafy hatrany ho amin`ny telo taona manaraka. Endrika hafa mihitsy no nentin’ity onjam-peo sy ny mpihaino nanamarihana ny faha-2 taona nijoroany omaly. Nosokafana tanteraka ho an’ny mpihaino sy mpankafy ny onjam-peo ka sesilany ny hafatra sy ny firariantsoa mba hahatraran’ny Top Radio ny taona maro be mitsingeringerina, eny fa hatramin’ny avy any ampitan-dranomasina aza niditra nivantana satria efa azo arahina amin’ny rohy Top radio en ligne : https://www.radioking.com/radio/topradio-102-8?redirect ity onjam-peo ity. Nisy ihany koa ny fandraisana ireo vahiny samihafa nivantana sy niresadresaka tamin’ny onjam-peo nandritra ny tontolo andro, ka am-polony maro ireo tonga nitafa sy niresadresaka nitondra ny fahitany an’izany Top Radio izany sy nirary soa. Nivoitra tao ny fisokafana lehibe ataon’ny Top Radio amin’ny fanehoan-kevitra marolafy, ary vaky vava ny ankamaroan’ny olona fa tena taratry ny demokrasia ny onjam-peon’ny Top Radio. Mijoro ho arofanina ny onjam-peo eo anatrehan’ny zavatra tsy mety sy mila ahitsy.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.