Misaona ny tontolon’ny kanto Malagasy. Folaka andatony Rakotomalala Félicien «kopi kolé» Théo Rakotovao, nopaohin’ny fahafatesana tampoka nihotsahan’ny tany teny Andohan’i Mandroseza ny tolakandron’ny zoma 16 janoary teo
Vahoaka maro no nirohotra teny an-toerana vantany vao nandre ny loza, niandry ny fahitana azy. Nanao tsy omby aloha tonga niondrika teo anoloan’ny vatana mangatsiakany teny amin’ny tranompokonolona Analakely sy tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina niandrasana ny razana. Niseho teto fa tokana ny Malagasy, miray fo amin-dRakotomalala Félicien. Zanak’Antemoro ity farany, saingy nilona tao anatin’ny kolontsaina Masikoro ary lasa mpibeko ankafizin’ny Malagasy manontolo. Hiala anio eto an-drenivohitra ny razana ka hihazo an’i Toliara mialoha ny hitondrana azy any Vohipeno tany fiaviany, handevenana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.