Namoaka ny boky “mpandrary fitia “indray i Felana Raveloarison, mpanoratra malaza tsy zoviana amintsika intsony, mpikambana mavitrika eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ( FIMPIMA).
Tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely no nampahafantarany ny sanganasany omaly. Boky kely ahitana takila 60, azo atao am-paosy tsara. Miresaka fitiavana mifamatotra ho an’olon-droa mifankatia nefa miantefa manokana amin’ i Felana sy ny mpankafy azy koa izy ity. Tafiditra ao anatin’ny fankalazan’i Felana ny faha-20 naha mpanakanto azy izao hetsika izao izay entina hampahafantarana amin’ny rehetra ireo sanganasany amin’ny alalan’ny fampirantiana tanterahina mandritra ny efatra andro etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Sekoly maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina no ho avy hanatona azy mandritra izany hizarany ny traikefany amin’ireo maniry ny hanaraka ny diany. Mbola hitohy amin’ny taona ho avy 2017 ny hetsika. Tsiahivina fa mpanao peta-kofehy malaza ihany koa i Felana. Ny sabotsy 10 desambra ho avy izao no hofaranana amim-pomba ofisialy eny Alarobia ny hetsika, lanonana hotronina mpanakanto maro toa an’i Njakatiana, Ariane, Narisoa…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.