Actualités

Fehezan-dalŕnan’ny serasera Mitohy ny don-tandroka


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Tantara tsy vita ny fifandroritana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanao gazety manoloana ilay Fehezan-dalŕna mifehy ny serasera vao nankatoavin’ny Fitsarana avo momba lalŕmpanorenana teo.

Naneho ny heviny omaly, ny Hetsiky ny Mpanao gazety mandala ny fahalalahana maneho hevitra, taorian’ny fivoriany teny Antanimena fa « manohitra » ny endrika fanilihana tamin’ny dinika teo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny solontenan’ny mpanao gazety teny Iavoloha ny harivan’ny 23 aogositra teo. Nilaza ny Hetsika fa « tsy handray anjara » amin’ny fametrahana ny Sehatra Ifampidinihana, nivoitra taorian’iny fihaonana teny Iavoloha iny, noho ny « kiry » ataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hamoaka didim-panjakana hampanan-kery ilay Fehezan-dalàna mifehy ny serasera, na eo aza ireo tolo-kevitra sy fampirisihana ataon’ireo masoivohom-pirenena vahiny, ny firahamonim-pirenena, mpanao gazety hisian’ny fifanatonana hifampidinihana. Hanokana ny andron’ny talata 30 aogositra ny Hetsika ho andro firaisankinan’ny mpanao gazety sy hanaovana « Miara-manonja » amin’ny onjam-peo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT