Namoaka ny fanapahan-keviny mikasika ilay Fehezan-dalŕna hifehy ny fifandraisana sy ny serasera eto Madagasikara ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana omaly. Mifanaraka amin’ny lalŕmpanorenana, hoy ny HCC.
Fanapahan-kevitra efa nampoizin’ny maro na nisy andininy telo aman’efitra nitondrany fanamarihana vitsivitsy aza. Any amin’ny Filoham-pirenena izany izao ny baolina, izy mantsy no tompon’ny teny farany hamoaka ny didim-panjakana mampanan-kery io fehezan-dalàna io. Teraka ihany izany ny fehezan-dalàna hifehy ny fifandraisana sy ny serasera eto Madagasikara rehefa noketrehina tao anatin’ny 18 taona izay, tamin’ny andron’ny minisitra Betsimifira Fredo, tao anatin’ny governemanta Tantely Andrianarivo tamin’ny Repoblika faha-2, aty amin’ny Repoblika faha-4, governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier, minisitra Razafindambo Andrianjato Vonison vao tafita teny amin’ny Antenimiera io lalàna io, na nahabe resaka sy mbola miteraka adihevitra hatramin’izao ny fomba nandaniana azy. Solombavambahoaka niisa 18 tonga nivory, tamin’ireo 151 ao Tsimbazaza mantsy no nandany azy io ny alin’ny alakamisy 7 jolay 2016. Izay no lalànan’ny demokrasia, rehefa nisafidy ny nivoaka ny trano sy tsy namonjy fivoriana ny ankamaroany. Endrika fankatoavana an-kolaka io fehezan-dalàna io ihany mantsy ny fivoahana ny trano sy ny tsy famonjena fivoriana. Hafa ny fipetrany raha nivory tamin’ny fivoriana itambarambe ka nanao tsia tamin’ny latsa-bato miafina na tsangan-tanana tamin’ny fotoana nandaniana io lalàna io. Tsy any intsony anefa izao ny resaka, fa ny fanontaniana dia ny hoe hanao ahoana ny ho fampiharana azy io ? Hanaraka ny tany tan-dalàna araka ny fanambin’izao fitondrana izao sa hisy ny mizana tsindrian’ila ? Manana haino aman-jery sy gazety mpanohana azy rahateo ny fitondrana, ary manana ny akaiky azy koa ny mpanohitra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.