Hanome fitaovana maimaimpoana ny tafika malagasy ny fanjakana Rosianina. Hisy ihany koa manampahaizana Rosianina hamboatra ireo fitaovana simba nomen’ity firenena ity fahiny.
Maimaimpoana avokoa izany rehetra izany, raha ny fanazavan’ny praminisitra Ravelonarivo Jean nandritra ny fihaonany tamin’ny kolonely Oleg Bugro, iraky ny minisiteran’ny fiarovana Rosianina sy miandraikitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena. Tamin’ny andron’ny amiraly Ratsiraka nandritra ny Repoblika faharoa no tena niroborobo ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Rosia, indrindra tamin’ny ara-tafika dia izao izy miverina izao indray rehefa ny jeneraly Ravelonarivo Jean izay olon’ny amiraly no sady nandranto fahalalana tamin’ny familiana fiaramanidina tany Rosia no praiminisitra. I Rosia na ny firaisana Sovietika (URSS) tamin’ny fotoan’androny no namatsy basy Kalachnikov ny tafika Malagasy miaraka amin’ny bala, ary io no basy betsaka indrindra misy eto amintsika, izay sady ampiasain’ny mpitandro ny filaminana no ampiasain’ny jiolahy. Tsy misy kisendrasendra izany amin’ny raharaham-pirenena fa misy antony avokoa ny zava-drehetra. Ny firenena Rosianina koa tsy hanome zavatra maimaimpoana ny tsy taovany tsy volovolony fa ao tambiny andrasany. I Rosia izay mifanenjana amin’ny firenen-dehibe maro any Eoropa sy any Amerika ka dia ho hita eo indray hoe hitondra an’i Madagasikara ho aiza ity fiaraha-miasa ara-tafika amin’i Rosia ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.