Actualités

Fe-potoana nomena an’i Claudine A&C Hifarana ny alatsinainy izao


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Ny alatsinainy 10 aprily lasa teo no niala teto Madagasikara i Claudine Razaimamonjy, ka fitarafana sy fitsaboana antsoina hoe “Angiographie cérébrale”, izay nambara ho tsy vita eto Madagasikara no antony nandefasana azy tany Maorisy.

 Tsy nisy akony intsony ny fitsaboana natao ary tsy fantatra ny fahasalamany sy ny fampodiana azy an-tanindrazana fa dia nangina sy tsy misy resaka intsony ny raharaha. Tsy fantatra mazava ny toerana misy azy, izay nifamahofaho tanteraka, ka tao ny resaka nivoaka fa any Turquie, Frantsa… Nisy ihany koa ny vaovao hafa nivoaka fa tsy mbola niala tao Maorisy izy. Ireo voatonona ho nampitsoaka azy aza moa mbola tafapetraka sy voaaro tsara eo amin’ny sezany fa tsy voadaka tamin’ny fanoloana minisitra. Maro amin’ny mpanao politika no efa nilaza fa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina aza miombon-kevitra sy mankasitraka ny afera malotony matoa tsy nikitika ireo mpiray tsikombakomba taminy. Anisan’ny nanamarika izany i Pety Rakotoniana. Andrasana izay hataon’ny tompon’andraikitra momba ny fampodiana an’i Claudine Razaimamonjy satria tapitra ny alatsinainy 24 aprily izao ny fe-potoana nomena azy sy ireo niara-dalana taminy.  

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT