Actualités

Faty olona teny Mahamasina « Akaro fitsarana ny tompon’antoka»


  • Zoma 28 Jona 2019

Namoaka fanambarana mahakasika ny loza tetsy Mahamasina ny avy amin’ny Antoko Kintana sy ny CRN omaly alakamisy 27 jona. Manalasala ny zavatra misy.

 

 Nambara fa raitra ny fandaminana kanefa fahafatesana no valiny, fotoana fohy avy eo. Fetim-pirenena kanefa dia mivadika ho fatim-pirenena ny zava-nisy, hoy i Pasitera Edouard Tsarahame. Nisy fandaminana tokony ho nazava satria misy tanàna mifehy azy ity Antananarivo ity, dia ny kaominina, prefe, faritra Analamanga. Tsy hita taratra anefa ireo. Tsy nomena andraikitra ve ireo fa noraisin’ny fiadidian’ny filoha avokoa ? Iza no tena tompon’antoka ? Mila sokafana ny fanadihadiana ka hakarina fitsarana satria maro ny Malagasy maty. Mila hakarina fitsarana ireo mpikarakara rehetra ny fetin’ny 26 jona. Mangataka amin’ny filoha ihany koa hampisy fisaonam-pirenena fa be loatra ny aina nafoy. Raha misy ny fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny Malagasy dia atao ny fisaonam-pirenena. Miantso fifanomezan-tanana ho an’ireo maratra. “Raha ny tena izy dia ny ben’ny tanàna no nitsena ireo filoha roa kanefa tsy mitovy hevitra aminao ve dia tsy nohajainao ? “, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Tsy nomena andraikitra sy tsy nomena haja ny kaominina ary tsy nohajaina ny rafitra. Nisaotra ny fanjakana izy ireo noho ny fanolorana fiaramanidina, angidimby… Nametra-panontaniana kosa izy ireo hoe avy aiza ny vola ? Tsy hita ao anaty tetibolam-panjakana mantsy ireny, hoy izy ireo. Fanampiana avy aiza dia inona no tambiny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT