Nisehoana fahatezeram-bahoaka tao an-tampon-tanànan'Ambilobe taorian'ny fampitam-baovao teo amin'ny tambajotra « Facebook »izay
miteraka savorovoro fa voasambotry ny polisy ny 16 febroary 2020 tany amin'ny kaominina Mantaly distrikan’Ambilobe ny tompon'antoka tamin'ny famonoana ilay vehivavy bevohoka 7 volana tsy hita nanomboka ny 03 febroary 2020. Rehefa hita ny razana dia voalaza fa tsy nisy tanana, afaka ny volo, ny nono, ny maso ilany, tsy tao intsony ny zaza tao ankibo,... araka nampitain'ireo nanatri-maso. Ny androtr’io, izany hoe ny faran’ny herinandro teo dia nirohotra ny vahoaka nandeha tao amin'ny biraon'ny Compagnie Zandarimaria ka resy lahatra izy ireo fa tsy tao ilay olona voarohirohy. Rehefa izany dia namonjy ny biraon'ny kamisarian’ny polisim-pirenena indray izy ireo ka namotika sy nitora-bato ny birao ary nanimba sy nandoro fiara nitoby tao rehefa tsy nahita ilay olona. Voatery niditra an-tsehatra ny zandarimariam-pirenena niaro ny mpiasa sy ny tobin'ny polisim-pirenena any an-toerana. Rotika tanteraka ny birao, fiara 3 kila forehitra izay an’ny polisy sy ny distrika, miampy moto 1, polisy 2 ihany koa naratra. Hatramin’ny omaly maraina dia nitohy ny gidragidra, ka nirefodrefotra ny basy tao Ambilobe omaly, ary hatramin’ny biraom-panjakana aza nisy nikatona, araka ny fampitam-baovao.
TENA TSY MILAMINA NY TANY
Ankoatra io, niteraka resabe ny zava-nitranga teny Ambilanibe izay nifamahofaho tanteraka ny resaka. Tao ny nilaza fa nisy hala-jaza ary natsipy tao anaty rano, ka maty. Resaka ady mivady anefa ilay izy. Tsy mitsitsy ny olona, ary tsy miraharaha izay didy aman-dalàna intsony. Ny tany Vohipeno, dia adihevitra hatramin’izao ny ahiahy mombana fahafatesana tovolahy iray, ahian’ny havany ho nisy nangalarany ny taovany taorian’ny fandidiana natao azy. Tany Amparafaravola indray dia olona roa no maty notsatotsatohan’ny jiolahy ny antsy ny herinandro teo ihany. Ny teto Antananarivo moa dia resaka hala-jaza nampisavoritaka tetsy Ambilanibe, kanefa ady mivady momba ny adihevitra handevenana ilay zaza maty. Ny olona efa nivonona tamin’ny fitsaram-bahoaka. Ny tovolahikely tratra nangalatra atody, izay naboridana sy nofatorana teo ambody andrin-jiro. Toa tsy manana fotoana hisainana ela sy handinihana ny tokony hatao intsony ny olona, fa avy hatrany dia ny hanao herisetra no tonga ao an-tsainy voalohany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.