Tsy mahita olana amin’ny fanatanterahana ny fampiharana manontolo ny tondrozotra intsony ny solontena maharitry ny Pnud eto Madagasikara, Fatma Samoura. Anjaran’ny Malagasy anefa, indrindra ireo misahana ny fampihavanam-pirenena no mijery ny fahatomombanan’ireo fepetra takiana amin’izany
. Mampalahelo raha ny ezaka rehetra efa notanterahana hanarenana ny firenena malagasy hatrizay kosa no very maina, hoy ny fanampim-panazavany. Nisy moa ny fihaonan’ireo masoivohon’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena mpiara-miombon’antoka eto Madagasikara momba ny raharaha Ravalomanana Marc taorian’ny zava-nitranga ny alatsinainy lasa teo saingy andraikitry ny Sadc kosa no manambara ny hevitra tinapaka amin’ny fomba ofisialy amin’ny maha vondrom-paritra akaiky an’i Madagasikara azy, hoy ity masoivohon’ny firenena mikambana ity. Fanamarihana nataony fa tsy misy ifandraisany amin’ny famatsiambola nampanantenain’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny zava-misy ankehitriny. Ny fahavononan’ny Malagasy no andrasana ka aty amintsika ny baolina manomboka izao, araka ny fomba fiteny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.