Dia hiroso amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 24 ora izany ny sendikan’ny mpiasan’ny ladoany anio tontolo andro.
Hanerana ny Nosy io. Nandamoka avokoa ny fifampidinihana isan’ambaratonga. Manohitra ny hanomezana ny vahiny ny fitantanana ny asa eny amin’ny fadin-tseranana ny sendika. Tsy hisy entana afaka hiondrana, tsy hisy entana afaka hiditra. Ny fety anefa ity ho avy. Vola hatrany amin’ny 5 miliara Ariary no tsy hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana anio, izay ho anisan’ny fiantraikan’io fitokonana io. Tsy ahoan’ny Fanjakana anefa izany. Asa hoe : hanao mazia mazia toy ny ahoana ny Fanjakana hanatrarany ny tanjony, amin’ny fanatsarana ny fampidiran-ketra. Mirongatra ny asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-basy, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra. Mihorohoro ny vahoaka, mahatsiaro ho tsy voaaro hatramin’ny fananany. Tsy misy fitonian-tsaina, tsy misy asa aman-draharaha vanona, tsy misy fihariana mandeha amin’izay laoniny. Tsy roa aman-tany ny fatiantoka, tsy ho an’ny Fanjakana ihany fa mipaka isan-tokantrano ihany koa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.