Mikononkonona fitokonana ihany koa ireo mpitatitra etsy amin’ny toby fiantsonana fasan’ny karana mihazo ny faritra taorian’ny teto an-drenivohitra.
Nitohy hatramin’ny omaly ny fanangonan-tsonia entina hanatanterahana izany nataon’ireo mpamily sy kaoperativa rehefa nanomboka tamin’ny alatsinainy. Antony, dia noho ny haratsian-dalana any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny izay manomboka ao atsimon’Antsirabe ka hatrany Fianarantsoa, hoy Rakotonandrasana Fredinard, tompon’andraikitry ny KMMSF. Ny 28 km mampitohy an’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa no tena mampijaly ny mpitatitra, hoy izy, antony mampirongatra ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny. Vokany, mandry tsy lavo loha hatrany ny mpitatitra sy mpandeha isaky ny mandalo ireo faritra voalaza ireo. Tsy maintsy misy entana very hatrany mantsy ao amin’ny porte bagage izay hiakaran’ireo mpanao ratsy mihitsy ka anisan’ireny ny kodiarana fanolo…Ankoatra izay dia anisan’ny hangatahin’izy ireo ihany koa ny hanavaozana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana izay novolavolaina tamin’ny taona 1967 ary nokitihina fotsiny tamin’ny taona 2007 fa tsy nisy fanovana. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ny zava-misy araka izany izy ireo. Tsiahivina moa fa taksibrosy am-polony no efa lasibatry ny asan-dahalo tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny vokatry ny haratsian-dalana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.