Manolona ny lozm-pifamoivoizana nisesy sy namoizana an’olona tamin’ny lalam-pirenena miazo ny faritra Vatovavy Fitovinany iny dia fantatra izao fa nandray fepetra ka namoaka didim-pitondrana ny
ny Faritra manery ireo kaoperativa mitatitra amin’iny lalam-pirenena faha-25 mitohy amin’ny faha-12 iny fa manomboka izao dia tsy maintsy miato kely ao Ifanadiana ny taksibrosy hisorohana ny havizanana loatra. Tokony hanana mpamily anakiroa ny fiara iray. Santionany ireo, fa nanaitra ny tsy nanisian-dresaka ny fiarovana ireo fotodrafitrasa noho ny vesatra be loatra entin’ny fiara mpitatitra entana. Voakasik’izany ny lalam-paritany na RIP 4/RNT 14 mampitohy an’Ifanadiana amin’Ikongo, mirefy 87 km eo, izay tsy natao hahazaka fiara mihoatra ny 7,5 taonina ny lalana sy ny tetezana sasany nefa vesarana fiarabe mihoatra ny 15 taonina amin’izao andro fahavaratra izao ka potika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.