Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny faritr’i Bongolava sy Melaky iny. Tsy mionona amin’ny halatra omby fotsiny intsony izy ireo fa manafika fiara, manolana vehivavy, mamono olona mihitsy ankehitriny
. Lasibatra tamin’izany ny Talen’ny fitantanana ankapobeny ny lafintany (DAGT) faritra Melaky, Rakotondrafara lonja Hary Lanja. Tao anaty taksiborosy avy any Tsiroanomandidy hihazo an’i Maintirano izy no notifirin’ny dahalo ny fiara an’ny koperativa FIFITSI nitondra azy rehefa tonga amin’ny toerana atao hoe Bekodoka, ny sabotsy 23 aprily tolakandro tokony ho tamin’ny efatra ora. Niantefa tamin’ny lohany ny bala, ary maty tsy tra-drano izy sy ny olona iray teo akaikiny, nipetraka teo amin’ny seza anoloana amin’ny fiara. Ny alin’io andro io ihany dia efa ao Morafenobe ny razana. Misedra ny mafy ny mpiasam-panjakana any amin’ny Faritra, miantso ny hanamafisana ny fitandroana ny filaminana. Vao nandefasana zandary 74 mianadahy hiasa any Melaky nefa izao dia manaporofo fa tsy ampy hampandry fahalemana any izany, manginy fotsiny ny olana ara-pitaovana izay toa mivangongo aty an-drenivohitra hiarovana ny sezan’ny mpitondra ny ankamaroany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.