Actualités

Faritra maro manerana ny nosy Haharitra hatramin’ny 26 janoary ny rotsak’orana


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Mbola hitohy hatramin’ny alakamisy 26 janoary izao ny rotsak’orana amina fartra maro manerana an’i Madagasikara.

Mety hahatratra 70 ka hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora izy io raha ny nambaran’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro, izany hoe matevitevina ihany. Ny faritra afovoany andrefana, atsimo atsinanan’ny nosy ary ny faritra sasany amin'ny afovoan-tany no tena voakasik’izany mivantana ka tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’i Ambanja, Bealanana, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Miandrivazo, Belon' i Tsiribihina, Farafangana, Vondrozo, Vangaindrano, sy ny distrika rehetra ao Boeny, Melaky, Vatovavy, Fitovinany ary Analamanga.Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana, rano miandrona, fiakaran’ny renirano, ranotrambo, fihotsahan’ny tany izany rotsak’orana izany koa tena mila mitandrina ny mponina mipetraka amin’ny toerana marefo sy mora tondraka ary hanaraka tsy tapaka ny toromariiky ny manampahefana eny ifotony mba hisorohana ny loza mety hitranga, hoy hatrany ny sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro. Efa maro ny lalana, tapaka, lasan’ny rano, nihotsaka sy tsy azo aleha eny amin’ny lalam-pirenena.Tena fahendrena ny tsy mivezivezy aloha mandra-pisinton’ny rano. Mbola tena ahiana ny loza mantsy raha mbola hitohy hatramin’ny 26 janoary ny rotsak’orana.Aoka hitandrina sy ho mailo hatrany.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT