Faritra iva sy mora dibo-drano ny eny Namontana, Andrefan’Ankadimbahoaka, sy ny manodidina iny
Efa ho avy izao ny fahavaratra ka manomboka mitaintaina ireo mponina eny an-toerana. Matetika mantsy no misy hatrany ireo traboina eny amin’izy ireo raha ny voalazan’ny mponina. Ny ankizy madinika no tena lasibatra amin’izany, hany ka mitarika aretina sy tsy fahasalamana samihafa toy ny aretin-tratra, kohaka ary ny aretin-kibo. Miparitaka vetivety ihany koa ny valanaretina isan-karazany. Ankoatra izay, tsy ampy ireo mponina eny an-toerana mihitsy ny RF2 na ireo daba fanariam-pako natokana ho an’ny isam-pokontany. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra dia in-2 na in-3 no atao ny fitaterana ny fako satria vetivety dia feno izy ireny. Manampy trotraka ny tsy fisian’ny toeram-pidiovana iombonana eny an-toerana. Tao anatin’ny 20 taona dia nisasa sy nanao maloto ankalamanjana ny ankamaroan’ny mponina teny an-toerana. Nisy noho izany ny fidinana ifotony nataon’ny solontenam-panjakana sy ny solontenan’ny kaominin’Antananarivo renivohitra, omaly nijery akaiky ny fiainan’ny mponina sy ny vahaolana azo atao, hiomanana amin’ny fotoana hiavian’ny orana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.