Mihamangotraka hatrany ny fifandonana eo amin’ireo mpampianatra sy ny tompon’andraikitry ny Fanabeazana any amin’ny Faritra Bongolava amin’izao fotoana izao.
Taorian’ilay raharaha fanolanana zazavavy kely 15 taona mpianatry ny lycée an-toerana ny herinandro lasa teo ka nanambarana fa tompon’andraikitry ny fanabeazana iray any an-toerana no nanao izany dia fantatra fa mpampianatra iray mahasahy mitaky ny marina any amin’ity faritra ity ihany koa hiharan’ny fandrahonana amin’izao fotoana izao. Nangataka fanazavana mikasika ny fakana vola tao amin’ny CEG andrefan’i Gara sy ny lycée Tsiroanomandidy ny tenany no tratran’izany no sady mbola nanambara ihany koa fa tsy zaraim-potsiny ireo “Kits scolaire” alefan’ny fanjakana ho an’ny mpianatra any an-toerana fa handoavam-bola. Notsindriany tamin’izany fa 150.000 Ar isaky ny sekoly no alain’ireo tompon’andraikitra amin’izany koa hanaovany antso avo amin’ny filoham-pirenena. Mikasika ny olan’ireo mpampianatra sy ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana any an-toerana moa dia nanambara ity solontenan’ny mpampianatra ity fa efa fantatry ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena tsara saingy tsy mbola nahitam-bahaolana izy ireo hatreto. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.