Actualités

Faritra Boeny Tsy manara-penitra ny 99%-n’ny fanamboarana harona


  • Zoma 09 Oktobra 2015

Mitombo isan’andro ireo ala simba sy ireo mpanao harona ao amin’ny faritany Mahajanga.

 

 Maro izy ireo no tsy manara-dalàna sy ny fenitra apetraky ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojia ny amin’ny fitrandrahana ireo ala ho lasa harona fampiasa andavanandro. Miezaka hatrany anefa ireo mpitantana mandresy lahatra ireo mpitrandraka mba hanaraka ny fepetra takiana. Ny ala honko dia mbola misy sahy manapaka hatrany. Ireo hazo madiro sy ny mokonazy no be mpampiasa ka atahorana ho ripaka izy ireo aorian’ny roapolo taona manaraka. Ireo Ong misy eto amintsika dia efa mitady ny vahaolana ahafahana mampihena ny fanapahana ala eto Madagasikara ka mihevitra ny hikaroka hevitra hafa izy ireo hanoloana ny harona. Ny tain’omby sy ny apombom-bary no vinavinaina avadika ho lasa harona fandrehitra ary ampiasaina andavanandro. Mbola eo ampandinihina io teknika vaovao io ireo mpikaroka amin’ny Ong miaro ny tontolo iainana ka tsy ho ela dia hampiasa azy io indray ny tokantrano Malagasy ialana amin’ny fahasimban’ny ala.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT