Actualités

Faritra Boeny Nitokana fotodrafitrasa 3 ny praiministra Solonandrasana


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Nidina ifotony tany amin’ny renivohitry ny faritra Boeny ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier notronin’ireo minisi-panajakana maromaro ny zoma 26 mey 2017.

 Anton-dian’ny delegasiona ny fitokanana ny fotodrafitrasa telo izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina toy ny « maison des élus » ho an’ny kaominina an-drenivohitr’i Mahajanga, izay ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Mahavoky, ny lapan’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Belobàka ary  ny fitokanana ny tsena sy ny biraom-pokontany ho an’ny kaominina ambanivohitra Boanamary. Teo ihany koa ny fanotronana ny lanonan’ny famindram-pibaikona teo amin’ny Vondron’ny tobim-paritanin’ny zandarimaria ho an’ny faritra Boeny izay nandraisan’ny kolonely Behivoka Friedericht ny fibaikona. “ Anjaran’ny ben’ny tanàna no mitondra fampandrosoana, mitady ny fomba ahafahan’ny vahoaka eo aminy mahita asa amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, hoy ny praiminisitra tamin’izany, ary andraikiny ihany koa no miahy ny lafin’ny sosialy sy ara-toe-karena ». Azo ho tsapain-tanana ato ho ato ny fampiharana izany fitsinjarampahefana tena izy izany noho ny fisian’ireo toeram-pitsaboana izay ho hita any amin’ireo distrika maromaro izay hovatsian’ny PRODECID, tetikasa miaraka amin’ny vondrona Alemana, sy ny FDL vola, hoy ny fanamarihana azo tany amin’ireo fitokanana ireo.  Mariky ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hanantona ny vahoaka ny anolorana ireo fotodrafitrasa ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT